Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 2:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.

15. Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.

16. Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.

17. Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.

18. Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.

19. Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.

Vakio ny toko manontolo Hosea 2