Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 11:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

5. Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.

6. Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.

7. Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.

8. Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.

9. Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho.

10. Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.

11. Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Hosea 11