Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hagay 1:12-15 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.

13. Ary nambaran'i Hagay, irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.

14. Dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny,

15. tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.

Vakio ny toko manontolo Hagay 1