Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Habakoka 3:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.

10. Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.

11. Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.

12. Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.

13. Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon'ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [sela]

14. Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan'ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.

15. Mitety ny ranomasina amin'ny soavalinao Hianao, Dia eny amin'ny rano be miavovona.

16. Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran'ny mpanao an-diany hamely ny olonao.

17. Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,

18. Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.

Vakio ny toko manontolo Habakoka 3