Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Habakoka 2:7-20 Malagasy Bible (MG1865)

7. Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?

8. Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.

9. Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza

10. Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao ianao.

11. Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano no hamaly azy.

12. Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin'ny heloka!

13. Indro, tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va no hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?

14. Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.

15. Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;

16. Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao.

17. Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.

18. Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?

19. Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo ? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.

20. Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!

Vakio ny toko manontolo Habakoka 2