Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Habakoka 2:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto ? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka

7. Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?

8. Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.

9. Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza

10. Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao ianao.

Vakio ny toko manontolo Habakoka 2