Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Habakoka 1:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.

7. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.

8. Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.

9. Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.

10. Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.

Vakio ny toko manontolo Habakoka 1