Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Habakoka 1:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,

14. Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?

15. Aingainy amin'ny fintana izy rehetra, Samboriny amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.

16. Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.

17. Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?

Vakio ny toko manontolo Habakoka 1