Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 8:7-18 Malagasy Bible (MG1865)

7. Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.

8. Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.

9. Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.

10. Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy.

11. Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.

12. Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.

13. Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.

14. Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.

15. Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:

16. Mivoaha amin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.

17. Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.

18. Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;

Vakio ny toko manontolo Genesisy 8