Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 7:20-22 Malagasy Bible (MG1865)

20. Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.

21. Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.

22. Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 7