Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 50:3-14 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.

4. Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:

5. Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.

6. Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.

7. Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta,

8. ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.

9. Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.

10. Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.

11. Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.

12. Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,

13. dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

14. Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 50