Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 50:20-26 Malagasy Bible (MG1865)

20. Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.

21. Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.

22. Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona.

23. Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.

24. Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.

25. Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.

26. Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 50