Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 5:4-12 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

5. Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

6. Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.

7. Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

8. Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;

9. Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.

10. Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;

11. Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.

12. Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 5