Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 5:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;

2. lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.

3. Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.

4. Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

5. Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

6. Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.

7. Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 5