Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 47:6-23 Malagasy Bible (MG1865)

6. ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko.

7. Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao.

8. Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?

9. Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.

10. Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.

11. Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.

12. Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.

13. Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.

14. Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.

15. Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.

16. Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.

17. Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.

18. Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;

19. nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.

20. Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.

21. Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra.

22. Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.

23. Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 47