Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 46:14-22 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary ny zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.

15. lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.

16. Ary ny zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erį»³ sy Aroda ary Arely.

17. Ary ny zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.

18. Ireo no zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.

19. Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.

20. Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.

21. Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.

22. Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 46