Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 38:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.

5. Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.

6. Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.

7. Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.

8. Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.

9. Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.

10. Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.

11. Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.

12. Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.

13. Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 38