Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 36:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana.

6. Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.

7. Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.

8. Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).

9. Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:

Vakio ny toko manontolo Genesisy 36