Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 36:15-24 Malagasy Bible (MG1865)

15. Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny

16. sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada.

17. Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao.

18. Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.

19. Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.

20. Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana

21. sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany Edoma.

22. Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.

23. Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.

24. Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).

Vakio ny toko manontolo Genesisy 36