Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 36:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany):

2. Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita,

3. ary Basemata, zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota.

4. Ary Ada niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela;

5. ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 36