Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 35:23-29 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;

24. ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;

25. ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;

26. ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.

27. Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.

28. Ary ny andro niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.

29. Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 35