Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 35:15-24 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.

16. Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.

17. Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.

18. Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.

19. Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).

20. Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka androany.

21. Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.

22. Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.

23. Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;

24. ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;

Vakio ny toko manontolo Genesisy 35