Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 33:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy.

9. Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.

10. Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.

11. Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.

12. Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.

13. Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.

14. Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.

15. Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho.

16. Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny lalany ho any Seira.

17. Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.

18. Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 33