Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 31:27-39 Malagasy Bible (MG1865)

27. Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,

28. sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.

29. Manan­kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.

30. Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?

31. Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.

32. Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.

33. Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.

34. Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.

35. Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.

36. Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?

37. Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,

38. Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.

39. Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 31