Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 26:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.

2. Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.

3. Miva­hinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;

4. dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;

5. satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.

6. Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.

7. Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.

8. Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.

9. Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihi­tsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.

10. Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.

11. Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 26