Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 25:24-34 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.

25. Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.

26. Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.

27. Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.

28. Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.

29. Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.

30. Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).

31. Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.

32. Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?

33. Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.

34. Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 25