Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 21:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.

2. Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.

3. Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.

4. Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.

5. Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.

6. Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.

7. Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.

8. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 21