Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 19:23-28 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.

24. Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,

25. ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.

26. Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.

27. Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;

28. ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 19