Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 15:16-21 Malagasy Bible (MG1865)

16. Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.

17. Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.

18. Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,

19. dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita

20. ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita

21. ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 15