Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 11:4-17 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.

5. Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.

6. Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.

7. Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.

8. Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.

9. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.

10. Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.

11. Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

12. Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.

13. Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

14. Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.

15. Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

16. Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.

17. Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 11