Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 10:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,

16. ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita

17. sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita

18. sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.

19. Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.

20. Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.

21. Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.

22. Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 10