Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 1:17-20 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,

18. sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

19. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.

20. Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 1