Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 5:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.

12. Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.

13. Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.

14. Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.

15. Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.

16. Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!

17. Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,

18. Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.

19. Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.

20. Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?

21. Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 5