Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 5:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.

2. Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.

3. Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.

4. Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.

5. Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.

6. Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.

7. Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.

8. Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.

9. Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.

10. Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.

11. Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.

12. Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.

13. Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.

14. Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.

15. Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.

16. Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 5