Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 4:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.

16. Ny fahatezeran'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.

17. Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.

18. Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.

19. Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.

20. Ny fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no hahavelona anay any amin'ny firenena.

21. Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 4