Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 3:53-64 Malagasy Bible (MG1865)

53. Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.

54. Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!

55. Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.

56. Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.

57. Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.

58. Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.

59. Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.

60. Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy

61. Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,

62. Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.

63. Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.

64. Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 3