Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 3:42-53 Malagasy Bible (MG1865)

42. Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.

43. Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.

44. Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.

45. Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.

46. Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.

47. Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.

48. Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.

49. Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,

50. Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.

51. Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.

52. Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.

53. Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 3