Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 3:30-43 Malagasy Bible (MG1865)

30. Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.

31. Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;

32. Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.

33. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.

34. Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,

35. Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,

36. Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.

37. Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?

38. Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?

39. Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy?

40. Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.

41. Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.

42. Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.

43. Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 3