Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 3:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.

2. Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.

3. Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.

4. Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.

5. Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.

6. Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.

7. Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.

8. Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.

9. Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 3