Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 7:19-28 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.

20. Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.

21. Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,

22. na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.

23. Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?

24. Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.

25. Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.

26. Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.

27. Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.

28. sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.

Vakio ny toko manontolo Ezra 7