Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 2:15-29 Malagasy Bible (MG1865)

15. ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;

16. ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;

17. ny taranak'i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;

18. ny taranak'i Jora dia roa ambin'ny folo amby zato;

19. ny taranak'i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;

20. ny zanak'i Gibara dia dimy amby sivi-folo;

21. ny zanak'i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;

22. ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;

23. ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;

24. ny zanak'i Azmaveta dia roa amby efa-polo;

25. ny zanak'i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;

26. ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;

27. ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;

28. ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;

29. ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo;

Vakio ny toko manontolo Ezra 2