Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 2:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,

2. dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:

3. Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;

4. ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;

5. ny taranak'i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;

6. ny taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;

7. ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;

8. ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;

9. ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;

10. ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;

11. ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;

12. ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;

13. ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;

Vakio ny toko manontolo Ezra 2