Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 6:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

8. Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.

9. Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;

10. Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.

11. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!

12. Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.

13. Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 6