Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 5:9-17 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.

10. Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;

11. eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.

12. Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.

13. Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny  fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.

14. Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo.

15. Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany

16. raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.

17. Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 5