Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 47:15-23 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,

16. dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.

17. Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.

18. Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.

19. Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.

20. Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.

21. Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely.

22. Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.

23. Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 47