Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 41:14-20 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.

15. Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja

16. ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),

17. ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.

18. Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,

19. ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.

20. Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 41