Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 39:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.

2. Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.

3. Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny zana-tsipìkanao.

4. Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.

5. Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.

6. Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

7. Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.

8. Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.

9. Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;

10. fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.

11. Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 39