Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 38:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,

3. ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.

4. Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;

5. miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,

6. Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.

7. Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.

8. Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.

9. Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 38