Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 35:12-15 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.

13. Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.

14. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,

15. Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 35