Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 34:25-31 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.

26. Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.

27. Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.

28. Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.

29. Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;

30. ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.

31. Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 34